SEDRAN'NY TANY
06.01.2024 - 20.04.2024

Sedran’ny Tany . Mialy Razafintsalama . 2023 . Courtesy An’i Filatex Energy
Narindran’i Joël Andrianomearisoa . Samuel Ramaholimihaso
Fampirantiana samirerin’i Mialy Razafintsalama
Sedran’ny tany
Manana fomba fijery vaovao momba ny lohahevitra hoe Tany tanindrazana sy tany ara-tontolo iainana ny Hakanto Contemporary. Ao anatin'izany dia naniry hanome fahafahana ny mpanakanto iray haneho an-tsary ny fihetseham-pony sy ny heviny momba izany lohahevitra izany izahay.
Indro àry i Mialy Razafintsalama, mpaka sary, miaraka amin'ny feony: andian-tsary vaovao, Sedran'ny tany. Nafarana manokana izy io, izay narafiny manodidina ny dia iray manomboka any Antananarivo ka hatrany Toliara, ary nisy fiaraha-mientana sy fanohanana avy amin’ny Filatex Énergie.
Fa iza moa ianao ry Tany ?
Ny resaka voalohany natao tamin'i Mialy Razafintsalama dia fitaomana sy fandresen-dahatra azy hiresaka momba ny tany — ny taniny.
Eny, mbola sarotra ny miresaka momba ny fitiavan-tanindrazana. Sarotra kokoa aza ny miresaka momba ny tontolo iainana amin'izao tontolontsika ankehitriny izao, izay mametraka fifampiraharahana, refy ary tombana ny asa rehetra.
Kanefa
Nahay namaly i Mialy Razafintsalama, tamin'ny fijery silantsilana. Ialany ny fitsarana an-tendrony. Lalaoviny ny angolan-kevitra manodidina ny hevitry ny tany — ao anatin'ny teniny, indrindra moa ao anatin'ny sariny.
Miorina amin'ny lafiny roa mifamaly ny tolo-keviny ara-tsary. Lanjainy ao ny lafy tsarany sy ny lafy ratsiny, ny fanontaniana ary indraindray ny vahaolana, ny eny sy ny tsia, ny mainty sy ny fotsy — ary indrindra ny lokon'ny fiainana.
Manomboka any Antananarivo ny dia. Mamakivaky ny lalana mankany atsimon'i Madagasikara, ary mitohy hatrany Toliara. Manaraka ireo dingana ireo, dia manangona ny sarin’ny tany mirehitra izy, tany miresaka amin'ny takelaka masoandro, izay manambara hoavy tsara kokoa.
Faravodilanitra an-dranomasina any Mangily, izay manontany ny hevitry ny fetran'ny tany manoloana ny toby famokarana herinaratra.
Ilay raiketa, fanantenana mamony, manoloana ny varavarankelin'ny Isalo — mankany amin'ny ampitso mamirapiratra.
...
Fanambarana sy fihetsika avy amin'ny fo ny asa aseho eto. Manohina ny sainy sy ny fihetseham-pony manokana izy io, ary mitaona sy miantso ny olona hafa koa hisaintsaina momba io fanontaniana tsy misy valiny io, angamba...
Tany tanindrazana sy tany ara-tontolo iainana.
Eo afovoan'ireo teny ireo, dia aoka isika hahita ny valiny.
Irin'ny tany, sarin'ny tany, fofon'ny tany, feon'ny tany, endriky ny tany, hiran'ny tany, tsiron'ny tany, sedran'ny tany... sy ireo tarainan'ny tany rehetra.
Tsy hiezaka hahatakatra ny sary tsirairay isika, fa hamadika ireo takila ary hitady ireo teny eo anelanelany.
Ny anelanelan'ny fotoana, ny anelanelan'ny rivotra, ny anelanelan'ny tany.
Joël Andrianomearisoa . Samuel Ramaholimihaso
2024















