RAMILY
ILAY NANAO
NY MARAINA
30.04.2022 - 30.07.2022

Bessa-Lola Ihorombe, Ihosy . 1973 . Ramily . Ramily Ilay Nanao Ny Maraina . 2022 . Courtesy An’ny Mpankanto
Narindran’i Joël Andrianomearisoa . Ludonie Velotrasina
Fampirantiana samirerin’i Emile Rakotondrazaka natsoina hoe Ramily (1939 - 2017)
Jery todika, fihetseham-po sy fahatsiarovana
RAMILY
ILAY NANAO
NY MARAINA
EO ANELANELAN’NY JERY TODIKA, FIHETSEHAM-PO SY FANKALAZANA
I Ramily, na antsoina koa amim-pitiavana hoe Dadamily, no rain’ny fakana sary maoderina malagasy mainty sy fotsy.
Ity fampirantiana ity dia habaka sy fotoana manasongadina ny fahaizan’ny mpaka sary iray : ilay nisava lalana tamin’ny fakana sary mainty sy fotsy maoderina sady mpikirakira laboratoara tsy manam-paharoa.
Teraka tamin’ny 25 Septambra 1939 tao amin’ny faritra Antohomadinika ao Antananarivo izy. Namelona ny tontolo ara-kolontsaina ny sanganasany na dia vao tamin’ireo folo taona voalohany nahazoan i Madagasikara fahaleovantena ary.
Olo-malaza eo amin’ny tontolon’ny sary i Ramily, ary faneva amin’ny fanaovana tirage argentique amin’ny habe antonony sy lehibe. Tena nalaza indrindra ny sanganasany teo anelanelan’ny taona 1970 ka hatramin’ny faran’ny taona 1990. Nampiato ny asany izy tamin’ny taona 2003, noho ny aretim-po. Nodimandry tamin’ny 26 Martsa 2017 tao Antananarivo i Ramily, ka namela sarin-tany feno kanto an-jatony, sary pirinty voarafitra ara-javakanto, sary mainty sy fotsy amin’ny fampakaram-bady sy hetsika manetriketrika, ary indrindra fitiavana lehibe sy lalina amin’ny fakana sary izay nozarainy tamim-pahalalahan-tanana tamin’ireo taranaka mpaka sary tanora.
Ny famerenana an’i Ramily ho fantatra indray sy ny fampahafantarana azy dia marika fankasitrahana ny fahaizany sy ny fandraisany anjara lehibe teo amin’ny sehatry ny sary sy ny kanto malagasy.
Ity no fampirantiana manokana voalohany momba an’i Ramily, izay mamerina ny lalana nodiavin’ny sanganasany ara-tsary rehetra, ary mampiseho ny talentany amin’ny maha-teknisiana laboratoara azy amin’ny alalan’ny famerenana ny studio-ny ao anatin’ny rindrin’i Hakanto Contemporary.
Voalohany lehibe ihany koa ity fampiratiana ity amin’ny fampisehoana ireo niarahany niasa rehetra : miaraka amin’ireo orinasa eto an-toerana, ny fianakaviana, ny fikambanam-pivavahana na politika, ary koa amin’ny tontolon’ny fikarakarana fampisehoana.
Mizara ho fizarana dimy ny fampirantiana :
LAHATRA, DESTINÉE, TRANSMISSION
Fampidirana, jery todika amin’ny fiainana iray : eo anelanelan’ny fankalazana ny fianakaviana, ny sary ary ny fiaraha-monina.
-FROM INTIMACY TO RAMILY
Ny fizarana fototra, fitsangatsanganana amin’ny alalan’ny mainty sy fotsy eo anivon’ny faritaniny sy ny fari-pony : Madagasikara.
-MAINTY, FOTSY, SY IREO LOKO REHETRA NOIR
BLANC ET TOUTES LES AUTRES COULEURS
-TSANGATSANGANA ETO ANIVON’NY TANY
RAMILY ET LE TERRITOIRE MALGACHE
Ny fizarana farany, fotoana feno fihetseham-po : ny famerenana ilay studio Techni-photo malaza an’i Ramily any Itaosy. Mba haharitra sy tsy ho afaka ao an-tsaina ny fahatsiarovana azy.
-ANKADIFOTSY, ITAOSY SY IREO EFITRA MAINTY
CHAMBRES NOIRES
Fisaorana lehibe ho an’ny fianakaviana noho ny fampindramana ireo sanganasa, ary indrindra ho an’ny zanany lahy, Hery Rakotondrazaka, noho ny fiaraha-miasa sy ny firahalahiana.
Misaotra ihany koa ireo mpanakanto malagasy rehetra noho ny fitantarana sy ny fijoroana vavolombelona nataony.
Ramily, ilay niteraka ny andro
Eo anelanelan’ny mainty sy ny fotsy.
Mampahafantatra ny tantarantsika amin’ny alalan’ny sariny izy,
Fa ambonin’izany rehetra izany, ireo fihetseham-pontsika mahasanganehana indraindray.
Joël Andrianomearisoa . Ludonie Velotrasina
2022
























































