HIVERINA




IREO BOKY
ARA-HAISORATRA

IFALIO NY
MARAINA






Navoakan'ny Hakanto Édition . 2026

Mpandray anjara : Fanja Andriamanantena . Joël Andrianomearisoa

Soratra : Andrianina Rajoelisoa


ANDRIANINA RAJOELISOA

Teraka tamin'ny 1992, mipetraka sy miasa eo anelanelan'i Paris sy Antananarivo.

Ity boky ity no manamarika ny famoahana ny boky voalohan'i Andrianina Rajoelisoa (fantatra amin'ny anarana hoe Joely) : Ifalio Ny Maraina. Fitambarana tononkalo zato eo ho eo izy io, izay manitatra sy mandalina ny fomba fiasany ara-kanto. Amin'ny alalan'ny fanoratana feno fahatohinam-po, mivantana ary tsy misy fihatsarambelatsihy. Mampiseho feo anaty sy lalina ilay mpanakanto — voatohin'ny fihetseham-po, ny fahalemena ary ny zava-misy iainan'ny fiaraha-monina malagasy ankehitriny.


Mpanakanto mpiara-miasa akaiky amin'ny Hakanto Contemporary izy, ary nandray anjara tamin'ny dingana lehibe iray nandritra ny tonon-taona fanokafana Histoires de Famille tamin'ny alalan'ny fampirantiana Joely sy Andy. Manohy izany fikarohana izany izy ankehitriny ao anatin'ny FEO, izay tonon-taona fahatelo ao amin'ny Hakanto Contemporary, narindran’i Joël Andrianomearisoa.


Araka izany, ny Ifalio Ny Maraina dia fanohizana ny asa ahitana sary, sehatra ary soratra izay mifamaly tsy misy fiatsarambelatsihy.