LAMBA FOREVER
MANDRAKIZAY
08.07.2023 - 25.11.2023

Doria . Kevin Ramarohetra . Lamba Forever Mandrakizay . 2023 . Collection Yavarhoussen
Narindran’i Joël Andrianomearisoa . Ludonie Velotrasina . Rina Ralay-Ranaivo
Fampirantiana niombonan’i
Gad Bensalem . Jean Yves Chen
Tsiriniaina Irimboangy . Charles Edgar Lincoln
Joël Andrianomearisoa . Madame Zo . Nazaria Tooj
Jean Luc Raharimanana . Alphonse Rakotovao
Gaston Rakotovao . Emile Ralambo
Kevin Ramarohetra . A. Ramiandrasoa
Sandra Ramiliarisoa . Ramilijaona . H. Ranaivo
Nadia Randriamorasata . Rasolonjatovo
Christian Sanna
Clée Rabeharisoa et Charlotte Razafindrakoto
Omaly, anio sy ankehitriny, ary mandrakizay doria, hatramin'ny tsy manam-petra.
Amin'ny ezaka rehetra hanehoana ny kolontsain'i Madagasikara, dia singa tsy azo hiodivirana ny lamba.
Lamba lambalamba ary lamba ihany.
Maneho sy mampita zavatra maro ny lamba ankehitriny. Eo amin'ny fihaonan'izany rehetra izany, ny fampirantiana LAMBA.
LAMBA FOREVER MANDRAKIZAY dia manasongadina ny toetran'ity lamba ity — toetra sady tsy miovaova no manam-panahy. Araka ny lalan-tsaina ijoroan’ny tetikasan’ny Hakanto Contemporary, ity fampiratiana ity dia manolotra fomba fijery maro samihafa sy marolafy momba lamba ho an'ny besinimaro, izay maneho mihoatra lavitra noho ny fitaovana tsotra fotsiny.
Ity fampirantiana ity dia mampiseho ireo fomba fiasa ara-javakanto maro samihafa sy ny fahasamihafan'ny kanto. Ireo mpanakanto rehetra ampiarahina dia samy manana fifandraisana amin'ny lamba — indraindray toy ny zava-mahaliana, indraindray toy ny fitaovam-panandramana sy an’eritreritra, fa nofinofy ihany koa anefa.
Araka ny famaritana azy, ny lamba dia ravin-damba manaraka rafin-tsary, matetika mahitsizoro. Anaovana, iainana ary ampiasaina izy io — hatramin'ny andro voalohany ka hatramin'ny andro farany, ary mihoatra noho izany aza.
Ireo sary avy amin'ny faramparan'ny taonjato faha-19, nalaina avy amin'ny arisivan'ny Foiben-Taosarintan'i Madagasikara, dia mampiseho ny fampiasana ity lamba ity. Maneho ny toerany maharitra eo amin'ny fiarahamonina Malagasy izy ireo.
Akora, fanenomana ary fihetseham-po: kofehy iray mitety ny fotoana sy ny tany rehetra eto Madagasikara
Tenona vita tanana nentim-paharazana ny hanaovana ny lamba, amin’ny akora toy ny landihazo, landy, na rafia. Mandravaka ny soroky ny vehivavy Merina*, mamatotra ny andilan'ny lehilahy Bara, ary mandrakotra ny vatan'ny Betsileo*** amin'ny fizaran-taona rehetra... Misy karazan-damba manokana zaraina sy atao fanomezana mba hanaporofoana ny tanjaky ny fatorana mampiray ny tsirairay — na amin'ny fotoana mahafaly na amin'ny fotoana mampalahelo.
Miverimberina ihany koa ny fampiasana ny teny hoe "lamba" amin'ny fiteny malagasy. Ankilany, teny ankapobeny izy io izay manondro ireo zavatra vita amin'ny lamba andavanandro : lambam-pandriana, lamban-databatra, bodofotsy, na lambam-baravarana... Ankilany, hita ao anatin’ny fiteny sy ohabolana malaza izany, ka mampiseho ny maha-zava-dehibe ny firahalahiana, ny firaisankina, ny fiainana, ny fitiavana ary ny finoana.
Ny lamba, loharanon-kanto voalohany, toy ny fofon’aina sy aingam-panahy
Manamarina ny fisian'ny lamba eo amin'ny fiainana andavanandron'i Antananarivo, renivohitr'i Madagasikara, i Kevin Ramarohetra, mpaka sary, tamin'ny alalan'ny andian-tsary DORIA. I Emile Ralambo sy Jean Yves Chen, mpanao hosodoko kosa, dia nanandratra io fifandraisana tsy tapaka amin'ny lamba io tamin’ny fomba fijery vaovao ao amin'ny sanganasany tsirairay avy. Amam-polo taona maro no manasaraka ireo sary hosodoko roa ireo, izay lasa kilasika amin'ny zavakanto Malagasy — saingy tanjona iray ihany no mampiray azy ireo : ny handika ny tononkalon'ny lamba. Ny voalohany dia maneho ny endriny mahafinaritra eny amin'ny tontolo ambanivohitra, izay manoritra ny anjara toerana hita maso. Ny faharoa kosa dia mamerina tsara antsipiriany ny akanjo fotsy izay mariky ny vondrona Fifohazana.
Amin'ny sanganasa hafa, ny lamba dia lasa fizotra mahasanganehana. Ny fomba fanenomana ataon'i Madame Zo dia atosiky ny tohin’ny fanandramana. Eto izy dia mampiatrika antsika amin'ny fitambaran'ny kasety VHS, izay novaina ho fanaka. Araka izany, ny kofehin'ny sarimihetsika dia mamakivaky fotoana hafa.
Eo ankilan’ny sezabe, i Joël Andrianomearisoa sy Madame Zo dia manolotra sanganasa ara-kanto iombonana vaovao, FEHY MAINTY, izay aseho voalohany eto Madagasikara. Manamarina izany fa ny lamba dia manambara seha-paniriana tsy azo tanterahina ... Toy ny fiainana iray mamaky fitaratra ka ny tadim-pahatsiarovana ny hafaliana taloha sisa no ifikirany.
Ireo tetikasa ireo dia mamaly ny toko Bemiray ao amin'ny fampirantiana. Ny lamba dia lasa fitambarana sy fahatsiarovana, mametraka fanontaniana momba ny maha-iza ny tsirairary sy ny fiaraha-monina.
Ny sanganasan'i Sandra Ramiliarisoa "NY HENDRY NO ANARINA FA NY ADALA NO MANARY LAMBA" dia vita amin'ny akora nodiovina (polyfloss*). Ny lafiny ara-teknika dia mampiseho fanisana tsy misy fiafarana ny fomba fanodina, fanenomana ary famatotra.
Amin'ny lafiny ara-kevitra kokoa, ny bemiray dia mampiroborobo ny fomba fiasan'i Tsiriniaina Irimboangy. Ny sanganasany SOMBIN-TANTARA dia mampivondrona ny fikarohany momba ny lamba, teraka avy amin'ny fahatsiarovana manan-danja ny renibeny nanao lamba araka ny fomban-drazana malagasy.
Lambam-pianakaviana
Ahoana raha ny lamba no fanehoana tsara kokoa sy marika manan-danja indrindra ny fianakaviana ?
ANY DADA — fomba firesahana amin'ny ray tsy eo na efa maty — no lohatenin'ny sanganasa ara-kanto nataon'ilay mpilalao tantara an-tsehatra Gad Bensalem. Ao anatin'izany dia mamaha ny lamba izy ary mamaha ny kofehy ao anatiny mba hitantarana ny fiainan'i Doda fony tanora izay nikatsaka ny maha-izy azy. Ao anatin’izany dia mitsidika ny fahatsiarovana ireo vehivavy nitaiza azy sy ilay ray izay tsy fantany mihitsy izy.
Mbola ao anatin'io lohahevitra fianakaviana io ihany, saingy amin'ny fomba fijery ara-maritrano, dia manaraka ny tetiarany i Nadia Randriamorasata, mpanao asa kanto plastika. Mifandray amin’ny tantaram-piandohany izy tamin’ny famoronana ny sanganasany 1997. Nisafidy ny hanangana rafitra ara-maritrano mitambatra izy ho fanomezam-boninahitra ireo loham-pianakaviany — indrindra avy amin’ny ny rainy — izay efa any amin’ny tontolo razambe.
Izay sahy maty ihany no mifono lambamena
Ao amin'ny kolontsaina malagasy, ny lamba dia iray amin'ireo marika mampifandray ny tontolon'ny velona sy ny tontolon'ny maty. Tsy heverina ho fara-fiafarana ny fahafatesana, fa fifindrana mankany amin'ny toerana masin'ny razambe. Ao anatin’izany finoana izany dia mampatsiahy ny fifandraisan'ny fiainana sy ny fahafatesana ny asan’ny mpanakanto ara-tsara roa. Ny sarin'i Christian Sanna dia manamafy fa ny lamba dia mety ho fitafiana maneho ny filan'ny nofo sy haingo amin’ny fanompoam-pivavahana. Ny horonantsary OME nataon'ny mpanao sora-dihy sy mpandihy Nazaria Tooj kosa dia maneho ny hevitra momba ny fahaterahana indray.
Mitafy ny lambamenan'ny faniriantsika ary ho faty ao anatin'ny aloky ny fanantenantsika rehetra.
Ao anaty teatra foronina, ireo sanganasa nofantenana nataon'ireo mpamorona malaza dia mampiseho ny fahakingana sy fahaiza-manao amin’ny asa tanana. Tsy voafetra ny sisin-tany intsony eto. H. Ranaivo dia mamadika ny lambamena nentim-paharazana ka manova azy ho fitafy ny fiainana. Tanana malagasy no manao peta-kofehy ny vokatra Christian Lacroix. Mampitafy ny kilasy ambony any afovoan-tany i Clée Rabeharisoa sy Charlotte Razafindrakoto rehefa avy niasa tao amin'ny Christian Dior sy Balmain.
Mifanaraka amin'ny asa famoronana ny lamba ny fahaiza-miaingo’ireo olona manao azy, izay nalain'i Ramilijaona sy Rasolonjatovo sary, ka manaporofo amin'ny alalan'ny hakanton'izy ireo ny endrika kanto manodidina ity fitafiana nentim-paharazana ity.
Tsy hita maso fotsiny ny lamba, fa mikalo mangina ao am-pontsika koa.
Ho porofo, ny mpanoratra Jean Luc Raharimanana dia mandrandrana ny fahatsiarovany, ny eritreriny ary ny fihetseham-pony ao anatin'ny tantara foronina, tantara fohy ary lahatsoratra nosoratany. Tsy araka ny asa soratra mahazatra mety ho eritreretina, ny mpanoratra ny " Rêves sous le linceul " sy "Tisser" dia manolotra, amin’ny endriny voalohany, andian-tsary noforonina tsy nadika nalaina tamin’ny kahien’ilay mpanoratra, kisarisary fanomanana ny asa sorany. Sarisary tsotra maneho ny fihetseham-pony izy ireo, mikasika ny fangidian’ny fiaraha-monina ary manaisotra ny fisalasalana.
...ary tiako be ianao ao amin'ny lambanao fotsy.
Ary rehefa mandihy amin'ny fety ianao dia mampitodika loha maro amin'ny lambanao fotsy
Henri Ratsimbazafy, 1960
Hatramin'ny omaly ka hatramin'ny androany, ary mandrakizay, ny anjaran'ny lamba dia sary an-tsaina toy ny soratra tsy manam-petra. Hambabo, hanome aingam-panahy, hijanona ho faneva, ary haseho amin'ny endrika rehetra azo atao izy io — pour toujours, forever, mandrakizay.
Joël Andrianomearisoa . Ludonie Velotrasina . Rina Ralay-Ranaivo
2023
*Merina : vahoaka avy any amin'ny afovoan-tanin’I Madagasikara
*Bara : vahoaka avy any amin'ny lembalemba atsimon'i Madagasikara
*Betsileo : vahoaka avy amin'ny faritra atsimon'ny afovoan-tany
Fifohazana : vondrom-piarahamonina kristiana mampianatra ny fiverenana amin'ny fototra sy ny kolontsaina malagasy
Polyfloss : kofehy azo avy amin'ny fanodinana fako plastika
Mandrakizay : Forever, pour toujours















































