LA NOUVELLE MAIN

03.09.2022 - 22.10.2022

Iray Lalana . Fitiavana Ratovo . La Nouvelle Main . The New Hand . Ilay Tanana Vaovao . 2022 . Courtesy An’ny Mpanakanto

Narindran’i Joël Andrianomearisoa . Rina Ralay‑Ranaivo

Fampirantiana niombonan’i

Rose Kely Ranarivelo . Sanka

Fitiavana Ratovo . Andy Rasoloharivony

LA NOUVELLE MAIN


Toy ireo teny manidina eo amin’ny solaitrabe mainty, fikatsahana voalohany ataon’ny tanora malagasy efatra i La Nouvelle Main.


Mpanakanto ve izy ireo sa tsia? Ho lasa mpanakanto ve izy ireo?


Izany ireo fanontaniana apetraka! Izany no votoatin’ny tantara!


Eto, raha ny marina dia tsy ny ho lasa mpanakanto no olana, fa ny hanehoana ny fanoloran-tenan'izy ireo amin'ny famoronana, sy ny faniriany hisandratra amin'ny endri-kanto ankehitriny na ho avy — ao anatin’ny fiainana tsy misy ahiahy entin’ny fahatanorana.


Mirehareha izahay ao amin'ny Hakanto Contemporary anio mampahafantatra amin'ny besinimaro mpanakanto tanora efatra, olona vao misondrotra eo amin'ny sehatry ny kanto malagasy vaovao amin’ny vanin’andro ankehitriny. Manolotra sanganasa lehibe sy tsy mbola naseho izy ireo, novokarina manokana ho an'ity fampirantiana ity.


Nandray anjara tamin'ireo atrikasa nokarakarain'ny Hakanto Contemporary i Fitiavana Ratovo, Andy Rasoloharivony, Sanka ary Rose Kely Ranarivelo. Atao tsy tapaka ireo fihaonana ireo mba hamporisihana ny fifampiresahana sy ny fifanakalozana eo amin'ireo mpanakanto avy amin'ny sehatra samihafa, ary indrindra mba hamoahana hery vaovao.


Namboarina ho sehatra fifampiresahana sy fikaonandoha miaraka ireo fihaonana ireo, ka nahafahana namantatra ireo mpanakanto tanora efatra amin'ity fampirantiana ity, sady nanohanana azy ireo tamin'ny fandrafetana ny heviny ara-pamoronana. Amin'izao dingana amin'ny dian'izy ireo izao dia mbola ao anatin'ny fikarohana avokoa izy rehetra. Manohy mikaroka ireo mety ho endrika ara-javakanto avy amin'ny fitaovany manokana tsirairay izy ireo, ary ho tonga amin’ny fanandramana fitaovana sy endrika hafa. Ny fanohanana manokana natolotra teo am-piomanana ity fampirantiana ity dia nanasongadina indrindra ny maha-zava-dehibe ny fitazonana io fisokafana io amin'ny dingana rehetra ataon'izy ireo tsirairay.


Hatramin’ny voalohany dia maniry handroso amin’ny dingana vaovao amin’ny maha mpanakanto azy ireo tanora ireo. Te handroso izy ireo, hitady lalana vaovao ho an'ny asany, hamelona izany ary hanome fomba fijery vaovao ho azy ireo. Mikaroka lalana hivoahana amin'ny toerana mahazatra azy, ny fahazarany, na ny fanireriny ireto mpanakanto vao misondrontra ireto. Ary na dia manjavozavo aza ny ho avy omen'ity lalana nofidiny ity, dia tsy mihemotra izy ireo. Ny faniriana hanandrana, haneho hevitra, na ny miaina tsotra fotsiny no mibahan-toerana amin'ny zavatra rehetra — ary tsapa ao anatin'ny fihetsika, ny tolo-kevitra ary ny akora tsirairay izany.


Ny sary, ny vy, ny tanimanga, ny lamba, na koa ny taratasy... mifangaro ireo akora ireo ao anaty kilalao fifanakalozana, fifanoherana ary fifandonana. Maneho fahamaroana izy ireo, izay mahita ny fototra iombonany ao anatin'ny votoatin'ireo sanganasa, samy velomin'ny tantara manokana sy ny traikefa ara-piaraha-monin’ny tsirairay.


Izany angamba no manome ny hatsarana sy toetra an'ireo sanganasa voalohany ireo amin'ny ankapobeny, ary ny hatsaran'ny asan'ireo mpanakanto tanora ireo manokana. Mampiseho amin'izao tontolo izao ho toy ny sary an-tenan’izy ireo. Amin'ireto sanganasa ireto manokana, ny herin'ny tolo-kevitra tsirairay dia miorina amin'ny fandanjalanjana sy ny fahamarinana, satria tsy misy fampiharana sarotra noho ny miresaka momba ny tena sy ny tontolony manokana, miaraka amin'ny sedra apetraka ny fomba sy ny fanehoana.


Amin'ny alalan'ny tantaram-pianakaviany no ameloman’i Rose Kely Ranarivelo ao anatin'ny sanganasany ny fotoana iray ankafiziny manokana: Retour à la source / Miverina amin'ny fihavanana. Averin'ny mpanakanto amin'ny fomba tsy azo tsapain-tanana eo amin'ny latabatra nofinofisina, ireo singa mandrafitra io fotoam-pianakaviana io. Fitaovana maro no ampiasainy amin'izany: ny seramika, ny hazo, ny hosodoko. Ny asa famoronana ataony dia aingam-panahy avy amin'ny fototry ny kolontsaina roa sosona ananany, frantsay sy malagasy, ary mifandray amin'ny marika ara-kolontsaina sy ara-tsosialy momba ny safidy sy ny hatsarana.


Mba hanatanterahana ity sanganasa ity dia naka aingam-panahy avy amin’ny fomba fanorenana fahita amin’ny fiainana andavanandro i Fitiavana Ratovo. Nahantona toy ny sarin’olona ny andiam-by voasokitra, ka mampiseho ireo mpikambana eo amin’ny fiaraha-monina atambatry ny fomba fijery mitovy, soatoavina mitovy ary ho avy iombonana. Mitondra ny lohateny hoe Iray lalana — izay midika hoe « mitambatra lalana iray » — ny sanganasa dia maneno toy ny antso ho amin’ny fahatsiarovan-tena iombonana manoloana ny fiaraha-monina ao anaty krizy.


Amin'ny alalan’ny herin'ny akora sy ny herin’ny sary dia manasa ny mpijery hiditra ao amin'ny fiangonana iray i Andy Rasoloharivony mba hiaina ny L'urgence de la foi. Ao anatin'ny fifanoherana mahatalanjona no mampiseho amin'ny sary ireo marika lehibe amin'ny finoana kristiana eo afovoan'ny ravaka maneho toeram-panorenana ilay mpanao horonantsary. Ny hazavan'ny andro voajanahary miditra ao anatin'io toerana ara-panahy sy masina io no mitondra ny fahatsapana any amin'ny fara-tampony.


I Sanka kosa dia manolotra sanganasa voalohany izay manamafy ny traikefany naharitra amin'ny fanaovana sarin’olona. Ahitana andian-tsarin’olona dika tena izy sy dika mitovy ity sanganasa ity. Mitondra antsika any anatin'ny halalina sy ny herin'ny fijery io sanganasa ara-kanto io — ilay varavarankelin'ny fanahy. Mampahatsiahy ny fiandohany tamin'ny sary tamin'ny fahaefa-taonany izany, izay fahatsiarovana mamy mifandray amin'ny reniny sy ny sekoly ambaratonga voalohany. Mitondra azy hiverina any amin’ny hetsika voalohany nataony io sanganasa io, sy ny nofiny ho lasa mpanakanto.


La Nouvelle Main, kisarisary momba ny ho avy feno fisalasalana, kanefa miaraka amin'ny fahatokian'ny tanora efatra manana fanantenana sy faniriana hamorona ary handrafitra ny fotoana iainany.


Joël Andrianomearisoa sy Rina Ralay-Ranaivo

2022