FEO
TONON-TAONA FAHATELO
17.01.2026 - 07.06.2026

Le Tangena De La Memoire . Mendrika Ratsima . Feo . 2026 . Courtesy An’ny Mpanakanto
Tonon-taona
Ventesin’i Hakanto Contemporary
sy ireo mpanakanto, mpiara-dia sy olom-pirenena
Narindran’ Joël Andrianomearisoa
Rijasolo . Mahaleo . Rina Ralay Ranaivo . Harivola Rakotondrasoa .
Mendrika Ratsima . Christiane Ramanantsoa . Gilbert Rakoto . Bolo .
Mahefa Reboza . Bryan Rajesy . Tsiriniaina Irimboangy . Soratra
Gad Bensalem . Andrianina Rajoelisoa, dit Joely . Dah'mama . To
Ranaivoharijao pour Tolona . Raymond Rajaonarivelo . Tsiory
Razafinorovelo . Elie Ramanankavana . Bodo . Elie Rajaonarison
Philibert Tsiranana . Richard Ratsimandrava . Amiral Didier
Ratsiraka . Professeur Albert Zafy . Marc Ravalomanana . Hery
Rajaonarimampianina . Andry Rajoelina . Michaël Randrianirina .
Joël Andrianomearisoa . Hasnaine Yavarhoussen . Anja Rama . Liva
Randrianarivony . Sambatra Andriamanana . Tsiky Razakarivony .
Haja Salomé Rakotoarimanana . Christel Marline.Fulbay . Fabrice
Raheriniaina . Karim Rakotobe . Mickaël Rabearison . Edmondine
Razafimalala . Rolland Rahalison
FEO
Isa
Feo iray
Feo roa
Two
Feo telo
Isa sy roa
Efatra … folo … arivo … tapitrisa
This is my voice, with our voices, us.
FEO
Tonon-taona fahatelon’i Hakanto Contemporary
Lalam-panoratana vaovao entina mandrary ny ankehitrinin’i Madagasikara
ombanin’
ny samboaravoarany ara-politika,
ny fihazoazoan’ny olom-pirenena,
ny triatrany, ny triatrantsika,
ny fisalasalany amin’ny fitiava-tanindrazana
ny hetsi-bahoaka
ny ahiahiny, ny ahiahintsika
ny hetsiny, ny hetsitsika
ny hiakany, ny hiakantsika
ny fanantenany, ny fanantenantsika
ny fidrahodrahony, ny fidrahodrahontsika
ny finoany, ny finoantsika
ny fitiavany, ny fitiavantsika
ny tantarany, ny tantarantsika,
ny neniny, ny nenintsika
ny fahadisoam-panantenany, ny fahadisoam-panantenantsika
ny famoizam-pony, ny famoizam-pontsika.
Ny poiziny, ny poizintsika
Ses venins, nos venins
ny fanafana odiny, ny fanafana odintsika
ny nofiny ary indrindra ny kantony. Ny kantontsika.
FEO, teti-kasa ventesin’ireo mpiara-miasa rehetra ato amin’i Hakanto Contemporary,
hiarahana amin’ireo mpanakanto sy olom-pirenena malagasy.
Toko vaovao arafitry ny sangan’asa, fanehoan-kevitra ary hetsika ara-java-kanto, teny, feo, fandavan-tena ary asa mibaiko ny fitempon’ny fotoana.
Fandinihana ny ankehitrinin’i Madagasikara amin’ny endriny rehetra - fitiava-tanindrazana, kalo, politika, jeografia, tantara, olom-pirenena ary indrindra indrindra kanto.
FEO
Ny Omaly, ny Anio
Ary ny Ampitso ?
Sopatra ve ny anio sa hery vao ?
Eo am-piandrasana ny faharavana na ny fandresena
Eo am-piandrasana ny fahalavoana na ny
fanandratana
Andeha ventesina hatreny amin’ny hazavana ny feo
Andeha asandratra ny hery rehetra
Ny fitarainana
Ny hira
Ny hetaheta
Ny fiainana rehetra
Ny nofy rehetra
Ny nofy ratsy
Ny horaka
Ny faniriana
Ny fo
Ny fanantenana
Ny fahatokisan-tena
Eny - ny hery rehetra
Feo ! Feo ? Feo
Tsy tabataba na fanendrikendrehana
Tsy toriteny na tondro-molotra,
FEO
Fahalalahana, habaka malalaka nomena an’ireo mpanakanto.
Ireo hosodokon’i Mendrika Ratsima mifaningotra amin’ny tantara dia midola amin’ny feon-kiran’i Bolo …
Christiane Ramanantsoa, andriambavin’ny sehatra, mandinika ny fiaraha-monina amin’ny alalan’ireo hosodoko zary vakoka nataon’i Gilbert Rakoto.
Harivola Rakotondrasoa, mandihy amin’ireo soratra sy rangotr’i Rina Ralay Ranaivo.
Rafahafahana kaloin’ny Mahaleo, mandidy sy manapaka ny tenin’ny mpahay tao-trano Mahefa Reboza.
Tsiriniaina Irimboangy kosa mindrana ireo voninkazo, mamadika azy ireo ho fitaovam-piadiana mahery vaika.
Ödy Ôdy – mandondona miaraka amin’i Gad Bensalem sy ny vazon’i Saka dit The King.
Joely mametraka tononkalo anaty fihetsika milanto entanin’ny feon-javamaneno lalimpaka eto.
Pika sary, raiketin’i Rijasolo, ilay fotoana toa saropady tsy hiverina intsony — dia tafintohina eo isika rehetra.
Raymond Rajaonarivelo kosa mamerina indray ny mpanakanto eo anivon’ny resadresaka.
Dradradradrain’i Elie Rajaonarison amin’ny heriny rehetra ny fahafatesan’ny kantontsika — ilay kanto mendrika ho antsika.
Manenina i Bodo …
Ary Elie Ramanankavana kosa, amin’ny fiangaliana kaly soratra manome ilay feo farany — mahavery.
Manodidina ireo endrika ireo no mijoro ireo andrarezin’ny tantara ara-politikan’ny firenena. Manodidina ireto rakitra sy fitakian’ny mpanakanto ireto, maredona ihany koa ny feon’ireo olon’ny fiarahamonim-pirenena.
Feo, ireo feontsika.
Eo anilan’ireo tantara ireo, mitondra ny anjara teniny ny mpiara miasa eto amin’ny Hakanto Contemporary ary mametra-panontanina amin’ny Firenentsika ankehitriny.
Tokotany hilalaovana andihizanana sy hanoratana ireo arira, ireo fitakiana, ireo angano, ireo fihetsika — fa indrindra ireo fanantenana.
Feo mifanindry an-dalana amin’ny ankehitriny, ny endrika sy ny tsiaro.
Feo, feo iray, feo maro, feo manako.
Anatin’izany fifamaliana izany no re ity teti-kasa ity – fitambarana feon’olo-tokana sy feon’ny maro an’isa, feo tany aloha sy ankehitriny, feon’ireo kivy sy ireo mbola miandrandra, mifampitohy, mifanojo, indraindray mifandona,
mbola mitady lalana.
Tantara mitohy mampihetsi-po momban’i Madagasikara ahitana ireo triatra, ireo feo indraindray mbola manantenana na tsia.
FEO
FEO
FEO
Feontsika. Feonareo. Isika fa indrindra isika.
Joël Andrianomearisoa
Janoary 2026






























