ESPRIT REVUE NOIRE
UNE COLLECTION
FONDATRICE
26.11.2022 - 06.05.2023

Nothing To Lose Ii . Bodies Of Experience . 1989 . Rotimi Fani-Kayode . Esprit Revue Noire Une Collection Fondatrice . 2022 . Courtesy De Revue Noire
Narindran’i Jean Loup Pivin . Pascal Martin Saint Leon
Angona sangan’asa miavaka notsongaina tao amin’ny Collection Revue Noire
Joseph Moïse Agbojelou . Daniel Attoumou Amicchia
Agence ANTA . Cornélius Augustt Azaglo
Agence BTEM-SGM-FTM . Mama Casset . Jean Depara
DRUM Magazine . Gahité Fofana . Samuel Fosso
Antoine Freitas . Dorris Haron Kasco
Rotimi Fani‑Kayodé . Seydou Keïta . Philippe Koudjina
Zwelethu Mthethwa . Ambroise Ngaimoko Studio 3 Z
Yves Pitchen . Alain Nzuzi Polo . Ramilijaona
J. Randria . Joseph Razaka . Guillaume Razafitrimo
Studio Rill . Maurille Andrianarivelo
Abdourahmane Sakaly . Malick Sidibé
Anonyme de Saint-Louis du Sénégal
ESPRIT REVUE NOIRE
UNE COLLECTION
FONDATRICE
Sary iray maneho ny fampisehoana nataon'i Joël Andrianomearisoa no nandravaka ny fonon'ny Revue Noire laharana Madagasikara, tamin'ny taona 1997. Marika lehibe izany, izay nohavaozina indray tamin'ny taona 2022 tamin'ny alalan'ny fampirantiana ESPRIT REVUE NOIRE UNE COLLECTION FONDATRICE, eto amin'ny Hakanto Contemporary ao Antananarivo, roapolo taona mahery taty aoriana.
Niorina tamin'ny taona 1990 ity gazety, trano famoahana boky ary mpamokatra ity. Ireto avy no mpanorina azy: Jean Loup Pivin sy Pascal Martin Saint Leon (samy mpanao mari-trano, tale artistika ary mpandrindra fampirantiana), Simon Njami (mpanoratra sady mpandrindra fampirantiana), ary Bruno Tilliette (mpamoaka boky sady mpanoratra).
Gazety mikaroka sy manadihady ny fomba fanehoana kanto ankehitriny afrikanina ny Revue Noire, ary nanamarika ny taona 1990 – 2000. Manolotra fomba fijery vaovao sy mbola tsy fantatra momba ny herin'ny famoronana, ny maoderina, ary ny habetsahan'ny zava-kanto sy ny mpanakanto avy any Afrika sy ny zanaka ampielezana (diaspora) izy. Naely eran-tany ity gazety iraisam-pirenena misy fiteny roa (frantsay/anglisy) ity ary mitàna anjara toerana lehibe eo amin'ny tantaran'ny kanto ankehitriny afrikanina. Mampahafantatra mpanakanto maro izy, manomboka amin'ny kanto plastika ka hatramin'ny sary, ny sarimihetsika ka hatramin'ny dihy, ny lamaody ka hatramin'ny famolavolana kanto, ary fitaizana ny taranaka mpandimby eo amin'ny literatiora.
Mitàna anjara toerana mpisava lalana ny Revue Noire eo amin'ny kanto ankehitriny afrikanina, indrindra amin'ny fampahafantarana ny sary afrikanina. Ny fampirantiana atolotra eto Antananarivo dia niainga avy amin'ilay fampirantiana « L’Afrique par elle-même » izay nitety tanàn-dehibe maro: Paris (Maison Européenne de la Photographie), São Paulo (Biennale), Washington (Smithsonian), New York (New Museum of Contemporary Art), Londres (Barbican), Bruxelles (Tervuren), Cape Town ary Berlin...
Ny boky miaraka aminy, Anthologie de la Photographie africaine, de l’Océan Indien et de la Diaspora (1998), mbamin'ny laharana tsirairay avy amin'ny Revue Noire, dia mametraka ny vato fehizoro voalohany amin'ny tantaran'ny sary afrikanina.
Namoaka ny asan'ireo mpaka sary malagasy teo amin'ny roapolo teo ny Revue Noire tao amin'ny laharana Madagasikara ny taona 1997. Ankehitriny, ny fampirantiana Revue Noire eto Antananarivo dia mifantoka tanteraka amin'ny tantaran'ny sary afrikanina amin'ny alalan'ny sary 140, izay mbola tsy naseho sy sary tranainy avokoa ny ankamaroany. Misy koa ireo horonantsary novokarin'ny Revue Noire alefa eny an-toerana, ary aseho ao avokoa ny boky sy gazety rehetra navoakany mba hahafahan'ny mpitsidika mandray anjara sy mahatakatra ny fomba fiasan'ny Revue Noire.
Gazety mivoaka isaky ny telovolana izy io, ary ny laharana tsirairay dia manao topimaso mivelatra, izay volavolain'ny komitim-panoratana miorina eo an-toerana, isaky ny firenena iray.
Misy laharana hafa kosa miresaka lohahevitra manokana kokoa, mifandray amin'ny sehatra iray — toy ny sary, ny dihy, ny lamaody — na amin'ny zava-misy iainana any amin'ny fiaraha-monina, toy ny fiainana an-tanàn-dehibe, ny nahandro, na ny SIDA izay nandrava ny kaontinanta. Tamin'ny taona 1995, fony mbola tsy nisy ny fanafody fitsaboana ity farany, dia nanolo-tena hiady ho an'ny fahavelomana ny Revue Noire tamin'ny alalan'ny tetikasa « Les artistes africains et le Sida », nahitana laharana manokana amin'ny gazety, sarimihetsika nataon'ireo mpanao sarimihetsika afrikanina, CD, ary fandaharana nalefa tamin'ireo fahitalavitra afrikanina.
Mifanaraka tsara amin'ny foto-kevitr’ireo namorona azy ity fomba fiasa amin'ny kanto "maneran-tany” ataon'ny Revue Noire ity. Hita indray izany tamin'ny fampirantiana “Suites africaine” tany Paris tamin'ny taona 1996, izay nampiray mpanakanto plasitisianina, mpandihy, mpaka sary, mpanoratra ary mpilalao an-tsehatra ao anaty toerana mientanentana sy malalaka ho an'ny mpitsidika.
Ankehitriny, manohy ny famoahan-boky sy ny fampirantiany hatrany ilay trano famoahana, toy ny vao haingana tao Toulouse ao amin'ny Musée des Abattoirs, izay naneho ny lafiny maro ny Revue Noire: famoahana boky, kanto, sary, mozika ary horonantsary.
Anatin’io foto-kevitra io indrindra no namolavolana ny fampirantiana eto amin'ny Hakanto Contemporary.
Jean Loup Pivin et Pascal Martin Saint Leon
2022



















































