SENTIMENTAL
TONON-TAONA FAHAROA
17.05.2025 - 09.11.2025

Des Voiles . Emilie Andriamahefa . Sentimental . 2025 . Collection Yavarhoussen
Narindran’i Joël Andrianomearisoa
AMOR FATI
Tetikasa Hakanto Flag
notanterahan’i Felana Rajaonarivelo
SAADIA, SOAVADIA
Tetikasan’i Mbolatiana Raoilison
antsoina hoe Clipse Teean
DIA HO IRAY IHANY
IZAHO SY IANAO
Fampirantiana samirerin’i Mirado Ravohitrarivo
M'AA SANS TOI
Fampirantiana samirerin’i Xhi sy M’aa
WE NEVER SAID
GOODBYE
Fampirantiana samirerin’i Mickaël Andrinirina
IN THE FIRST HOURS OF THE NIGHT
WE ARE ALL SENTIMENTAL
niombonan’i
Emilie Andriamahefa . Fanja Andriamanantena . Jean-Luc Andrianasolo . Donné Vonj . Boris Lock . Miranto Rafanomezana . Mamy Rajoelisolo . rakotographie . Jean Rambinintsoa . Daniela Razafindrakoto . Richianny et Mat Li . Temandrota . Vola sy Noro
SENTIMENTAL
SENTIMENTAL, tonon-taona vaovao ato amin’ny Hakanto Contemporary
Sento iray vaovao, toky tsy manam-paharoa,
Pejy iray misokatra, tonon-taona vaovao… atrikasa hiainana fahatsapana mbola tsy nisy hatrizay
SENTIMENTAL
Sary matroka, handraketana ny herim-po
Teny tsy manam-petra tarafina masoandro tsy sahy manjopika
Lamba tsy hay fantarina, mamehy sy mamatotra ny anjara ankehitriny
Bitsika mangina miantso aina vao
Hatsiaka mandrahona, mandrava ny fotoana sy ny fanahy miangaly.
SENTIMENTAL
Resaky momba ny fotoana nefa tsy anaty vanim-potoana
Lohahevitra tsambaratelo nefa mipaka amin’ny daholobe
Tsongo mamaivay,malailay tsy manam-pisasarana
Resaky ny andaniny tsy mifototra raha tsy amin’ny ankilany
Tantara tsy voafaritra latsa-paka anatin’ny tsirairay avy.
Eny ! WE ARE ALL SENTIMENTAL.
Ary anio ny fihetsaham-po no voizina, no ventesina sy banjinina
Anio ato amin’ny Hakanto Contemporary no anokafantsika ny sehatra, hanombohantsika ny tafasiry.
Apetraka eto ny fanontaniana, Malagasy aho, fa ahoana ianao ry foko ?
Ny endriky ny fihetseham-po ara-malagasy, tombanana sy rafetin’ny mpanakanto miisa roapolo
Mpanakanto malagasy, ireo velon’aina na efa aloka, ireo maontina sy mirakorako, ireo mpaminavina na mpanatanteraka,
Mpanakanto andrarezina sy erotrerony
Mpanakanton’ny anio, Mpanakanton’ny omaly
Eto ny mpanakanto no miadihevitra, miady loha sy miady fo mampifanjevo ny hay sy ny ahiahy
Tsy misy savorovoro, tsy misy manakoako, izay tokoa angamba ny fanehoana ny fihetseham-po malagasy
Ny tafiotran’ny omaly no mitondra safo. Rehefa maty ilay masoandro, rehefa dify ny jaly rehetra, izay vao sahy.
Fifanakalozana tsy misy fototra rakofan’ny fanekena bitsihina
Tsy mora ny miresaka fihetseham-po ety anivon-driaka.
Mikaroka izay azo ireo mpandray anjara hamaranana ny lalao.
Sinto-mahery an-joron-dalana, anamparana ny fo fa tsy ahenoana fitiavana;
Miendrika hasarotan-kenatra ny sangy.
Tsy manoroka afatsy ny aloky ny fitia efa lasa ireo molotra efa afa-po.
Havoaka imasoimaso ny teny tsy hay ambara. Zary fahatsiarovana ny nofo. Mirehitra malefaka ny mololo tahaka ny afon’ny tantara visavisaina. Vetsoin’ny fanatsafana ny vazon’ny fahadisoam-panantenana. Mifandrary ny fy sy ny ratra. Ny vola no manome ny gadon’ny faniriana. Tsy miredona intsony ny hiram-pitavana mandritry ny lalao. Ny tànana, safo malefaka, ny kinasa sy ny visavisa.
Matroka avokoa ny endrika sy ny tenin’ireo mpanakanto manolonana ity lohahevitra mahasadaikatra sy manorisory ity.
Na Malagasy na tsia, na mpanakanto na tsia. Natao hanaitra, hisarihana ny saina sy hanindrona ny fo anefa izany. Hisantarana ny lanjan’ny fihetsem-po. Ny herin’ny faniriana. Ny faniriana ny ahatsapa, ny faniriana ny ho SENTIMENTAL, mba ho velona.
Joël Andrianomearisoa
2025














































