POLITIKA FIAROVANA
FANEKENA
Manaiky ny hanaja ny Fitsipika Ankapobeny momba ny Fiarovana ny Angona (RGPD) ary ireo lalàna manan-kery eto an-toerana ny Hakanto Contemporary, amin'ny fanangonana sy ny fikirakirana ny angona avy amin'ity tranonkala ity.
TOMPON’ANDRAIKITRA AMIN’NY FITANTANANA NY ANGONA
Ny angona manokana voaray ato amin'ity tranonkala ity dia kirakirain’ny :
Hakanto Contemporary , ZFI Ankadimbahoaka, Antananarivo 101, Madagasikara.
ANGONA VOARAY SY NY AMPIASAINA AZY
Ny angona alefanao an-tsitrapo amin'ny alalan'ny taratasy fifandraisana na fisoratana anarana amin'ny fampitam-baovao (newsletter) ihany no angoninay. Matetika dia voafetra amin'ireto izany :
ANGONA MOMBAMOMBA ANAO —Anarana, fanampin'anarana, adiresy mailaka (rehefa misoratra anarana amin'ny fampitam-baovao na rehefa mangataka fifandraisana).
ANGONA MOMBA NY FIFANAKALOZANA ARA-BOLA —Rakitry ny fanjifana, adiresy fandefasana faktiora sy fanaterana entana (rehefa manao kaomandy ao amin'ny Hakanto Shop na Hakanto Edition).
ANGONA MOMBA NY FITSIDIHANA —Adiresy IP, pejy notsidihina, karazana mpitety tranokala. (ampiasaina amin'ny fikajiana isa sy antontan'isa).
FANDRAISANA SY FITAHIRIZANA IREO ANGONA
Ireo angona manokana avy aminao dia natokana ampiasaina ao anatin’ny Hakanto Contemporary ihany. Tsy amidy, tsy ampanofaina, ary tsy afindra amin'ny olon-kafa mba ahazoana tombony ara-barotra mihitsy izany na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana.
Tehirizinay tsy mihoatra ny fotoana ilaina azy sy ny antony nanangonana azy (ohatra, mandra-pisafidinao hiala tsy handray fampitam-baovao) ny angona avy aminao.
NY ZONAO
Araka ny lalàna manan-kery dia manana zo hiditra, hanitsy, hamafa ary hanohitra ny fikirakirana ny angonao manokana ianao.
Azonao atao ny mampihatra ireo zo ireo amin'ny fotoana rehetra, amin'ny fandefasana malaika aminay ao amin'ny: contact@hakantocontemporary.org , na amin'ny fidirina ny rohy fanafoanana fisoratana anarana hita eo ambanin'ny fampitam-baovao (newsletter) tsirairay.
