NY FITIAVANAY
OUR LOVE
NOTRE AMOUR

09.10.2021 - 16.03.2022

Tomorrow . Viviane Rakotoarivony . Ny Fitiavanay Our Love Notre Amour . 2020 . Courtesy An’ny Collection Yavarhoussen

Narindran’i Joël Andrianomearisoa

Fampirantiana iombonana

Fanehoam-pitiavana marolafy 

niarahan’ny mpanakanto 26 tany Madagasikara


Harivola Rakotondrasoa . Mat Li . Vonjiniaina

Michèle Rakotoson . Ndao Hanavao

Emile Ralambo . MiMada . Fenosoa Rahajamalala

Jean Andrianaivo Ravelona . Viviane Rakotoarivony . Zahra Rabeharisoa . Fela Razafiarison . Alizé . Malala Andrialavidrazana . Rina Ralay-Ranaivo , Ketaka Razafimisa . Philippe Gaubert . Rijasolo . Maurice Ramarozaka . Ludonie Velotrasina . Samoëla . Joan Paoly . serge henri rodin . Môta Soa . Zoly Rakotoniera . Antoine Ratrena

Ny fitiavanay

Our love

Notre amour


Ry Tanindrazanay malala ô !

Ry Madagasikara soa,

Ny fitiavanay anao tsy miala,

Fa ho anao ho anao doria tokoa.


Ao anatin’ny fanaontsika amin’ny fampirantiana ao amin’ny Hakanto Contemporary efa ho roa taona izao ny fametrahana fanontaniana hatrany mahakasika ny toe-javatra, ny tantara, ny ankehitrintsika, ary iantsoantsika ny ho avy.


Ho an’ity sehatra vaovao ity, tsy mivaona amin’ny fombantsika, dia apetrakay manodidina ny hevitry ny tanindrazana — ny firenena — ny tany ny lohahevitra anio.


Ary izay lasa, ankehitriny, ary ho avy izay hatrany no mametraka ny gadon’ity mozika vaovao ity.


Ny tany

Matetika isika no miresaka momba ity tany mena ity, ity sombin-tanindrazana am-povoan-drano ity, any ami-Ranomasimbe Indiana, eo anivon’izao tontolo izao.

Isika.

Isika avy amin’ny ranomasimbe lehibe, araka ny ambaran’i Serge Henri Rodin.

Madagasikara.

Ny ranomasina manodidina, ary ny ankamantatra lehibe tsy miova.


Fanambarana ? Fanontaniana ? Fitiavana ? Halavirana ? Fahaleovantena ?


Tsy ny hanome vahaolana no tanjona, fa ny hanao jery todika ara-pihetseham-po amin’ny alalan’ny fomba fanehoana avy amin’ny tontolo maro samihafa.

Fihetsika amin’ny mainty sy fotsy ka hatramin’ny fampisehoana saina tsy misy loko.

Fo vaky mba hahafahana mandatsaka ny ranomainty ny fanantenana.

Hiram-pitiavana mipoitra avy amin’ny verovero ara-pivavahana.

Na koa sakafom-pianakaviana avadika ho afomanga eny an-tampon’ny fahatsiarovana ny fanaintainantsika.

Samihafa ny valiny : indraindray mifampiresaka, indraindray mifanohitra, fa ao koa ny miteraka fihenjanana.

Acte d’amour Ny fitiavanay


Indro àry fanambarana fitiavana feno sy maro loko avy amin’ireo mpanakanto malagasy 26 ho an’ity firenena malala ity.

26 miresaka momba ny 60.

Mpanakanto 26.

60 taona nahazoana fahaleovantena.

Ahoana no hahafahana miaina ny ankehitriny miaraka amin’ity tsingerin-taona ity ? Ahoana no hahafahana mamaha ny tantara ?

Mamerina indray ireo tantara. Ary ahoana no fomba fitantarana ny ho avy ?


Mamerina indray ny tantarany,

Manoratra indray ny fahatsiarovany, 

Mamoraka ny tady mamatotra, 

Manova ny fakany,

 Ary manorina, manorina, hatrany hatrany. 


— Michèle Rakotoson


Ny tena sy fo fanahy anananay


Feon-kira manakoako mba hampitenenana ny fo sy ny fanahy amin’ny fahalalahana feno.


Eny, andao hiresaka satria tonga ny fotoana.


Joël Andrianomearisoa

Sepitambra 2021


« Ry Tanindrazanay malala ô » no hiram-pirenen’i Madagasikara nanomboka tamin’ny taona 1958. 


Nosoratan’i Pasitera Rahajason izy io, ary noforonon’i Norbert Raharisoa (1913 - 1963) ny feon-kirany.