ICI NOUS PORTONS
TOUS LES RÊVES
DU MONDE

08.02.2020 - 08.02.2021

Di Profundis . Joël Andrianomearisoa . Ici Nous Portons Tous Les Reves Du Monde . 2020 . Collection Yavarhoussen

Narindran’i Joël Andrianomearisoa

Fampirantiana niombonan’i

Elie Rajaonarison . Kristel . Alexandre Gourçon

Domi Sanji . Ramily . Donn . :Mentalklinik

Mose Njo . Judith Olivia Manantenasoa

Chef Lalaina Ravelomanana

Jean-Joseph Rabearivelo . Joël Andrianomearisoa

ICI NOUS PORTONS TOUS LES RÊVES DU MONDE

ETO ISIKA DIA MANANDRATRA NY NOFIN’IZAO TONTOLO IZAO

HERE WE REACH ALL THE DREAMS OF THE WORLD


Zava-poana aho.

Tsy ho tsinontsinona mihitsy aho.

Tsy ho afaka ny ho tsinontsinona mihitsy aho.

Ankoatra izay, dia manandratra ireo nofinofin’izao tontolo izao aho.

— Fernando Pessoa


Eto dia eto ihany, avy eto isika no mijery izao tontolo izao, ary avy eto ihany no anofisantsika izao tontolo izao.


Andeha isika hisaintsaina, hiresaka momba ny nofy, ary hanonofy — satria amin'ny alalan'ny nofy no ahafahantsika mamelona sy aina malagasy, amin'ny alalan'ireo endrika famoronana ankehitriny, mifandray amin'ny mpanakanto sy fomba fanehoana avy any an-toeran-kafa.


Eto dia tsy misy ny fomba na fitaovana kanto raikitra na voafetra. Ny fampirantiana dia manasongadina ny ny fahasamihafan’ny endrika sy ny sanganasa ao anatin’ny lalaon’ny fotoana, ny fitaka ary ny zava-misy iainany.


Tsy voafetra ny sakafo. Tsy misy sisintany ny sakafo.


I Chef Lalaina Ravelomanana no manome ny gadona amin'ny alalan'ny famerenana sakafo malagasy malaza iray, mifanaraka amin'ny gadona Nofy rock an'i Kristel.


Ny tontolo dia lalao, fahasamihafana ary fitsipika.


Ny mpivady tsy lefy laza avy any Istanbul, :mentalKLINIK, dia mamorona fitiavana vaovao, lalao fitiavana vaovao eo anilan’ny ireo teny vaovao nosoratan’i Môssieur Njo.


Eo amin'ny fahasamihafan'ny zotra sy endrika, ny mpamorona tanora Domi Sanji dia mampifangaro ny tany, izay mifanatrika amin’i Alexandre Gourçon sy ny foritra tsy manam-petra ataony.


Ramily, rain'ny sary sy fakana sary maoderina malagasy izay somary hadino taty aoriana, dia miverina mamiratra indray ao anatin'ireo andian-tsary miavaka izay mampivady ny tany efitra sy ny hazo maitso mavana.


Ny mpanakanto malagasy Donn kosa dia mametraka ny sanganasany eo anelanelan'ny nofy ratsy sy ny fitiavana malefaka, tahaka ny fandihizan'i Judith Manantenasoa milaza ny hamamin’ny korontana.


Izay rehetra izay dia difotry ny alahelon’ny saina malagasy, ao anatin'ny fifanakalozan-kevitra ara-haisoratra mitohy eo anelanelan'i Jean-Joseph Rabearivelo sy Elie Rajaonarison.


Fihaonana tsy ampoizina natao hanentanana sy hanaitra.

Mihaona ny asa tanana sy ny hira. Ny fakana sary dia lasa fitafiana. Ny teny dia lasa lamba fandokoana.

Andeha isika handrandrana ny literatiora, handrehitra ny afo, handihy amin'ny maritrano, hiresaka momba ny fanjairana, ary hitafy ny ankehitriny.

Andeha isika handravaka ny sakafo ary hifoka ny fofon'ny voninkazo.

Ny nofy no zava-misy iainako, karazan-java-misy hafa ihany koa. Ny nofinofin'Iarivo. Ny nofinofin'izao tontolo izao.

Andeha isika hanara-drano fotsiny.

Andeha isika hanonofy.

Satria eto Madagasikara isika no manandratra ny nofinofin’izao tontolo izao.


Joël Andrianomearisoa

Janoary 2019