HISTOIRES DE FAMILLE
TONON-TAONA FANOKAFANA

14.09.2024 - 16.03.2025

Portrait De Famille . Alexandre Gourçon . Histoires De Famille . 2024 . Collection Yavarhoussen

THE GRIEF

Fampirantiana samirerin’i Aude Onivola Rajaona

Narindran’i Joël Andrianomearisoa


AVEC ELLES

Fampirantiana samirerin’i Alexandre Gourçon

Narindran’i Joël Andrianomearisoa


LE CORPS DES VOLANTS À SIX ÉTAGES

Fampirantiana samirerin’i Jessy Razafimandimby

Narindran’i Joël Andrianomearisoa

Niarahana tamin’ny galerie Sans titre


MOTHER

Fampirantiana niarahan’i Asma Ben Aissa sy Elie Ramanankavana

Narindran’i Joël Andrianomearisoa


THIS IS MY HOME

Sangan’asa notsongaina tao amin’ny Collection Yavarhoussen

Narindran’i Hasnaine Yavarhoussen . Joël Andrianomearisoa


JOELY SY ANDY

Tafasiry iarahan’i

Andrianina Rajoelisoa antsoina hoe Joely sy Andy Warhol

Narindran’i Rina Ralay-Ranaivo . Joël Andrianomearisoa

Niarahana tamin’ny Collection Yavarhoussen


HISTOIRES DE FAMILLE


Efa-taona no nitsanganan’ny Hakanto Contemporary teto Antananarivo. Ankehitriny dia mihamivelatra amin’ny ity sehatra ara-kanto vaovao ity izy. Manamafy ny fanoloran-tenanay ho an'i Madagasikara izany, indrindra ho an'ireo mpanakanto.


Trano vaovao iray, mba hitahirizana ny fihetseham-po bebe kokoa, na dia amin'ny vanim-potoana mampisalasala aza. 


Toerana vaovao lehibe kokoa mba hahafahan'ireo mpanakanto maneho ny faniriany sy ny finoany.


Manaraka izany fanitarana izany, dia manokatra fomba fiasa vaovao koa izahay. Mametraka toerana natokana ho an'ny atrikasa izahay: ny Hakanto Studio. Manokana faritra iray ho an'ny fifampiresahana “Resaka Hakanto” koa izahay. Manokatra toeram-pivarotana vaovao izahay: ny Hakanto Shop. Lasa mpamoaka boky koa ny Hakanto Contemporary, amin'ny alalan'ny Hakanto Edition. Ary indrindra, alaminay araka ny tonon-taona ny hetsika ho avy.

Indro àry ny tonon-taona fanokafana, HISTOIRES DE FAMILLE. Miorina amin'ny fampirantiana enina misy lafiny maro.


THE GRIEF, fampirantiana feo ataon'i Aude Onivola Rajaona. Ho singaniny ao ny tsiahy momba ny fianakaviany, manomboka amin'ny fitsingerenan-taona ka hatramin'ny fara-veloma.


LE CORPS DES VOLANTS À SIX ÉTAGE, fampirantiana samirery voalohany ataon'i Jessy Razafimandimby eto Madagasikara. Mitondra antsika any amin'ireo fomba fijeriny samihafa izy io, eo anelanelan'ny fianakaviana fendrofendro sa ve ampinga paradisa? (ny fihetseham-po ara-pianakaviana, sa ny manda voalohany manakana ny fivoaran'ny tena?)


AVEC ELLES, fampirantiana samirery voalohany ataon'i Alexandre Gourçon. Ho singaniny ao ny lova avy amin’ny renibeny roa, indrindra ny asa tanana eto an-toerana.


MOTHER,Resaka nifanaovan'i Asma Ben Aissa sy Elie Ramanankavana ny. Miresaka momba ny reny izy ireo, Mama a!


THIS MY HOME, sanganasa notsongaina avy ao amin'ny Collection Yavarhoussen ny. Voambolana manokana sy an-tsaina ny trano iray tsy misy endrika voatondro afa-tsy ny fahamaivanana ihany.


Ary ho famaranana, JOELY SY ANDY: firesahana tsy mbola nivaoka eo amin'i Andy Warhol sy Joely, ilay mpitondra tenintsika malagasy amin'izao vanim-potoana ankehitriny izao.


Tsingerina fanokafana manodidina ny hevitry ny fianakaviana — hery velona, singan’aingam-panahy, ary indraindray sakana amin'ny fivoaran'ny tena.

Enga anie ka hampientana ny fontsika hatrany ny Hakanto Contemporary, indrindra amin'izao fotoana iainantsika ankehitriny izao!


Joël Andrianomearisoa . Hasnaine Yavarhoussen

2024