HAKANTO FRIENDS

NY TANJON'NY HAKANTO FRIENDS DIA NY 

HANANGANA VONDRONA AMBASADAORO HANOLO-

TENA MANODIDINA NY VINA SY NY ANDRAIKITRA NY

HAKANTO CONTEMPORARY, ARY MIAHY NY ZAVA-

KANTO ANKEHITRINY MALAGASY.

Sehatra fifandraisana sy fandraisana andraikitra voarafitra tsara ity fandaharan'asa ity, ahafahana manohana mavitrika sy maharitra ireo tetikasa ara-kanto, ny famokarana ara-pandrindrana, ny fikarohana, ny fampiantranoana mpanakanto, ny famoaham-boky, ary koa ireo hetsika famoronana rehetra entin'ny Hakanto Contemporary.


Ity fandaharan'asa fanohanana ity koa dia manome fanampiana ara-bola hanohanana ireo mpanakanto sy ny sanganasany, ary hampandrosoana ny sampana famoaham-boky.


Amin'ny alalan'ny fidirana ao amin'ny Hakanto Friends, ny mpikambana tsirairay dia mandray anjara mivantana amin'ny fanatanterahana ireo tetikasa, amin'ny fampiroboroboana ny fahaiza-mamorona, ary amin'ny fanamafisana ny anjara asan'ny Hakanto Contemporary amin'ny maha mpandray anjara fototra sy tsy azo ihodivirana azy eo amin'ny tontolon'ny kolontsaina malagasy sy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena.


Ny Hakanto Friends dia fandraisana andraikitra azo tsapain-tanana ho an'ny famoronana ankehitriny — ho an'ny heriny, ny fampitana azy ary ny fielezany.

HIDITRA
HO HAKANTO FRIENDS

FOMBA TELO HIDIRANA HO MPIKAMBANA

FRIENDS . BEST FRIENDS . BEST FRIENDS FOREVER

Araka ny ambaratongan'ny fandraisana anjara sy ny tombontsoa atolotra.

RAHA MISY FANGATAHINA FANAZAVANA

friends@hakantocontemporary.com