FANDRAISANA

FANDRAISANA NY DAHOLOBE


Ny ekipan'ny Hakanto Contemporary dia hitarika ny mpitsidika mandritra ny fitsidihana ny fampirantiana sy ireo sanganasa rehetra.


Misy koa mpitari-dàlana ho an'ny fitsidihana, natao hanamora ny fahatakarana ny tolo-kevitra ara-javakanto.


Mandray ny vondron'ny mpianatra, ny oniversite ary ny vondrom-panabeazana ny Hakanto Contemporary. 


Misy fitsidihana arahina fifanakalozan-kevitra izay nomanina manokana ho an'ny tanora, afaka fandrihana mialoha. Izany dia natao hanampiana azy ireo hahita sy hahatakatra mora foana ny asan'ny mpanakanto sy ny zava-kanto aseho ary ny safidy ara-pandrindrana

Manolotra fitsidihana voalohany sy fiverenana mitsidika ireo fampirantiana miaraka amin'ny mpanakanto ihany koa ny Hakanto Contemporary, miaraka amin'ny atrikasa sy fifanakalozan-kevitra misokatra ho an’ny daholobe mifanaraka amin'ny fandaharam-potoana.






FIDIRANA MALALAKA SY MAIMAIMPOANA MANDRITRA NY ORA FISOKAFAN'NY FOIBE ARA-KANTO