DANY BE
WHAT A WONDERFUL
WORLD
04.05.2024 - 26.10.2024

Le Retour Precipite Des Familles Dans La Region D’analamanga . 13 Decembre 1972 . Daniel Rakotoseheno Estate Aka Dany Be . Dany Be What A Wonderful World . 2024 . Courtesy An’ny Fianakaviana Rakotoseheno
Narindran’i Rina Ralay-Ranaivo . Jean Loup Pivin
Niarahana niasa tamin’ny Rado Rakotoseheno
Fampirantiana samirerin’i Daniel Rakotoseheno nantsoina hoe Dany Be (1935 - 2021)
DANY BE
WHAT A WONDERFUL WORLD
Ahitana sary 127 nalain’ilay mpaka sary ity fampirantiana ity, ary ny ankamaroany dia mbola tsy naseho tamin'ny be sy ny maro. Safidinay ny tsy hanasaraka ny asan'i Dany Be amin'ny maha-mpanao gazety azy sy ny famoronana ara-kanto nataony, fa kosa hampiseho izany lafiny roa amin'ny sangan'asany izany.
Etsy andaniny, misy andian-tsary mifandray mivantana amin'ny sehatra sy lohahevitra manokana: politika, sosialy, fanatanjahantena na fialam-boly. Etsy ankilany kosa, misy sary maneho ny fomba fijerin’ilay mpaka sary amin’ireo toerana, faritra, toe-javatra ary lohahevitra samihafa manerana ny Nosy — na eny an-tanàn-dehibe, na any ambanivohitra, hatramin'ireo faritra lavitra indrindra.
Matetika maneho ny fifandraisany akaiky tamin'ny tontolo manodidina azy ny sarin'i Dany Be. Amin'ny alalan'ny fomba fijery maha-olombelona no notehirizany ho tsy mety maty ireo fotoana sy sehatra amin'ny fiainana andavanandro. Nalainy sary ireo olona nifampikasoka taminy, ary koa ireo olona tsy fantany nifanojo taminy tsy nahy. Na koa, tsotra fotsiny, nalainy sary ny toetry ny fotoana niainany.
Mitsidika fotoana amam-polo taona maro tany aloha ny sarin'i Dany Be. Mitondra antsika ao anatin'ireo hetsika lehibe nanamarika ny tantaran'i Madagasikara ara-politika, ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-kolotsaina nanomboka tamin'ny Fahaleovantena ny taona 1960 izy ireo. Nahalala olona maro ary nanana tambazotram-pifandraisana mivelatra i Dany Be. Nahafahany nijoro teo afovoan'ireo fotoana lehibe sy manan-danja indrindra izany, nandritra ireo fihetsiketseham-bahoaka sy ireo vanim-potoana nahitana fiovana lehibe.
Mifandray amin'ny tantaran'i Dany Be manokana ity sangan’asa ity. Nomarihin'ireo lalana nodiaviny tamin'ny fanatanterahany ny asa maha mpaka sary mpanao gazety azy io tantara io. Ny fomba fanehoany dia mifandray amin'ireo hetsika lehibe amin'ny sary maneho ny maha-olombelona, araka ny efa hitantsika teo aloha. Mampiseho ity asa ity fa matetika nifanindran-dalana ny laham-piainan'i Dany Be sy ny fireneny tamin'ny vanim-potoana maro ka mahatonga azy ho vavolombelona miavaka ny tantara.
Efa tsapan’i Dany Be sahady fa matetika nanadino na tsy nahalala ny aantara maoderin'i Madagasikara ireo taranaka tanora. Izany indrindra no nimasoany hiady ho an'ny fahalalahana maneho hevitra izy, ny fampitana fahalalana ho an'ny tanora, indrindra teo antenatenan'ny androm-piainany.
Anisan'ireo mpitarika sy mpanentana lehibe tamin'ny fiainana ara-tsehatrasan'ny mpaka sary malagasy koa izy. Tamin'ny faran'ny taona 1990 dia niara-niasa tamin'ny Revue Noire izy, mba hanatanterahana ny asa voalohany momba ny tantaran'ny sary malagasy, niaraka tamin'i Pierrot Men sy Emile Rakotondrazaka (fantatra amin'ny hoe Ramily).
Mankasitraka ny fitokisana sy ny fanohanana feno avy amin'ny fianakavian'i Dany Be izahay, fa raha tsy teo izy ireo dia tsy tanteraka ity fampirantiana ity. Ny fanasongadinana ny fanoloran-tenan'i Dany Be teo amin’ny sehatra ny kanto, sosialy ary politika dia ezaka fanomezana voninahitra azy voalohany amin’ireo sangan'asany ara-tsary.
Rina Ralay-Ranaivo . Jean Loup Pivin
Aprily 2024





















