BEYOND ALL
YOU ARE
MINE

27.02.2021 - 04.09.2021

Another Love Antananarivo . :Mentalklinik . Beyond All You Are Mine . 2020 . Collection Yavarhoussen

Narindran’i Joël Andrianomearisoa

Fampirantiana niombonan’i

Temandrota . Rina Ralay-Ranaivo

:mentalKlinik . Joël Andrianomearisoa

Beyond all you are mine. Au-dela de tout tu es mien/ Ambonin’ny zavatra rehetra, ahy ianao


Fanambarana feno fifaliana ao anatin’ny vanim-potoana mbola mampisalasala ny momba ny ho avy. Toa mbola lavitra amintsika ny fiafarana !

Ary inona no hoentin’ny ampitso ?

Fanambarana fiainana amin’ny fotoana tsy ampy aina eo amintsika. Ahoana no hiainana ? Miaraka amin’iza ?

Antoky ny fisakaizana mafy orina, na dia toa very hevitra aza izao tontolo izao ankehitriny.

Handihy ve isika indray andro any ? Oroka iray ?

Toe-pitiavana amin’ny fotoana mampitroatra be ny fitiavan-tanindrazana adala.


Mpanakanto telo no mamoaka ny anatiny mba hanamafisana fa mbola miaraka isika, mahazo aingam-panahy ary velona.

Antsika ny ain’ny fotoana, ary mihoatra ny faravodilanitra rehetra ny faniriantsika.

Ny voalohany dia hery malagasy : Temandrota.

Kirakirainy ny tany, volavolainy ny afo, ary ahodikondiny ny fontsika mba hanomezana akony vaovao.

Ao anatin’ny fampirantiana Kolondoy, izay mampiaina ny mpijery, no amolavolany faritany vaovao sy kianja filalaovana vaovao, mba hitondrana antsika hihatrika ireo fanontaniana momba ny ampitso sy ireo faniriantsika lalina.



Ny faharoa, avy any Bosphore ka mandalo eo amoron’i Ikopa.

Ny :mentalKLINIK dia mampanjavozavo ny lalan-dia ny lalao eo anelanelan’ny akora, ny hazavana ary ny fihetseham-po. Tsy misy sisin-tany afa-tsy ilay an’ny fihetseham-po.

Eo anelanelan’ny hevitry ny 2, ny 3, na mihoatra… Ny mpivady :mentalKLINIK dia miantso antsika hisaintsaina ny hevitry ny fitiavana vaovao, indrindra ilay fitiavana tsapantsika momba an’Antananarivo. Another love. LOVE LIKE. 


Ary ny fahatelo, 

Rina Ralay-Ranaivo, mizara ny fony eo anelanelan’i Antananarivo, Berlin ary any an-toeran-kafa. Ao amin’ny sanganasany Chapitre I, miantso ny nofinofiny, ireo razantsika ary ny Tantara izy, manamorona renirano an-tsaina iray hotetezina.


Hitety ny rano, ny fotoana, ny hafa ary ny sisintany mba hifankahita indray sy hanamafisana fa ambonin’ny zavatra rehetra, ahy ianao


… manaraka ny tsiokan’ny rivotra fotsiny ary mamela ny tena ho entiny.


Joël Andrianomearisoa

Sepitambra 2021